« … Justes, réjouissez-vous en l’Eternel et soyez dans l’allégresse! Poussez des cris de joie, vous tous qui êtes droits de cœur ». (Psaumes 32, 11)
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Miarahaba anareo rehetra tratry ny Krismasy 2016.
Jesosy tsy mahafoy na mandao ary indro tanterahiny hatrany ny teniny manao hoe :
« Ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat. 28, 20b).
Amin’izao andro fanakalazàna ny andro Krismasy izao dia mampahery antsika ny Tompo mba hifampivavahantsika araka ny voasoratra hoe :
» … Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra! »(jakoba 5:16b), mba ho sitrana izao tontolo iainantsika izao (tsaroana manokana amin’izany ireo havantsika any Congo).
Dia mirary andro Noely sambatra ho antsika rehetra sady miarahaba sahady tratry ny Taom-baovao feno fahasoavana, fitahiana sy fahombiazana eo ambany fiarovan’i Jesosy Kristy Tompo.
Ho amintsika rehetra anie ny Fiadanana.
Ho an’ny UELFM
Ny filoha RAKOTOJAONA Eugène
Po ny tonia Lun Tsio Albert